Fitaka (Ventso ny nofiko (Thierry))
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FitakaNanjombona sy maloka ny androko anio
Hatramin'izay anefa toa mamiratra foana.
Ilay rivotra mitsoka mora lasa niova ho tadio
Reko manonja, nandrotika ary nampisaona
Ilay feo miangotingoty sy mandrotsirotsy
Lasa feom-pahatezerana sy fankahalana
Hany ka tapitra sy vita hatreo ilay nofinofy
Hoe ho doria mandrakizay ilay fiarahana
Nitia aho nitia anao tamin'ny foko rehetra
Tsy mba nandrimbinako hoan'olonkafa
Nanantena ny fitiavanao ho tsy misy fetra
Hay fitaka sy lainga maro tsy voafatra
Ilay molotrao norohako milaza hoe tena tia,
ankehitriny milaza teny tsy fiteny toa zary ompa
Teny fitaka sy lainga ary feno fiatsarambelatsia
Nampatory sy nampandry izato foko very tompo
Zao vao fantatro fa hay mpihindrana fotsiny
Tsy izaho no tompony fa an'ilay teo alohako
Izaho ilay tsy natao hanatanteraka ilay nofiny
fa nataony kilalao ka tsy takatr'ilay lohako
Eny eh, mafy tsy tanty, tsy maintsy ekeko ilay fisarahana
marary, mafaitra ny ngidin'izany ka tsy hay hatelina
Anio aho dia anova ny famindrako, ka akako bahana
Hamadika ny pejy ka ho faranako amin'ny teboka tsisy nenina
malala ah, ilay malalako taloha, ilay tiako nefa namadika ahy
izao ny hafatro ataovy ao antsaina, anio aho lavo
Androany aho marary, malahelo, mitomany mijaly
Fa ampitso aho higoka fahasambarana, hifaly, hiravo
Tadidio koa anefa anio,fa ny lalana izay no diaviko
dia mbola ho diavinao ka tadidio ary ataovy ao antsaina,
androany aho nanaiky zay rehetra ary tsy nisy nolaviko
ampitso ianao anajaranao inadray no mody very maina.
❣️ventso ny nofiko ❣️
RANDRIAMBOLOLONA Patrick Thierry 24/01/24
--------
Lien:
Catégorie :
Embona - Tanindrazana - Fahatsiarovana - Embona - Fisarahana - Alahelo - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana
Commentaires
Ventsonynofiko
(
28/01/2024 04:14)
Fitaka