Hafa ianao (Phraon)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hafa ianao ka hafa
rehefa isika miara-mitafa
miangoty ianao raha miteny
nambabo ny foko izy ireny

Hafa ianao raha mibika
ampian'ilay endrikao sariaka
manintona ny maso mba hijery
izato hakantonao tsy miery


Hafa ianao raha mamindra
fa ianao no lafatra indrindra
mampifoha ny foko izay matory
manala ny adin-tsaiko sy ny sorisory

Hafa ianao raha manoroka
fa tena fitiavana no natolotra
ravoravo ery ny fanahy
nisinda hatreo ny ahiahy
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy - Fitiavana
181 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Phraon
Inséré par : voady
Date : 19/07/2024 06:47
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0159