Midera anao (Pharaon)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Midera eram-po, eran-tsainaizahay vahoaka madinika
faly sy ravo fa mbola velon'aina
misaotra anao tsy mba nanifika
Midera anao aho amin'ny heriko manontolo
n'aiza n'aiza misy ahy
mankalaza anao izay nikolo
mankasitra anao aho fa voatahy
Midera anao aho zanahary
fa nitsimbininao izany dia
ianao ilay Ray tsy mba manary
be fihantrana sy be fitia
Midera anao aho ry tompo
noho ny hatsaram-ponao
lavorary tokoa ity mpanompo
fa tontosa avokoa izay natao
--------
Rohy: