Feno fitia (Pharaon)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tamin'ny androm-pifaliana, tamin'ny androm-pahasambarana niainana, nitositosina teo anilan-dry
fotoana mamy indrindra tsy tiako hisy fitsaharana
satria teo aho no nahatsapa fa hoe tia, teo aho no feno fitia
Ankehitriny, amin'izao fotoana izao
mahatsiaro anao aho, mitady anao aho satria
mbola tsy mahasaraka anao, marefo mila ny fitiavanao
fa ny eo imasonao, izay miara-dalana aminao no feno fitia
Ny ampitsoko, amin'ny androko ho avy rehetra
tsy hivadika aminao aho, hankatoa anao fa tsy hania
hanaja ilay fitiavana tsy hanam-petra
hiara-dia aminao, henika anao aho vao feno fitia
Na oviana na oviana, na amin'ny fotoana manao ahoana
tsy te handao anao, te hiara-hitoetra aminao ity mpankafy
satria mbola babonao, eny tia anao foana
fa ny eo an-tratranao eo, ny eo an-tsandrinao eo no feno fitia
--------
Rohy: