Aza manahy (Pharaon)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza manahy fa raha ilay fitia izay natolotro anao tsy resaka fotsiny ihany na koa teny tao an-tendro-molotro tao
fa teny avy am-po, tsy novolena
ambarako an-kariary ,tsy an-katerena
Aza manahy fa raha ny toky izay nomeko anao fahiny
raha toky fitaka mety hanenenako, mety hazoan-tsiny
na koa teny fampatoriana anao fotsiny angamba
fa ho tanterahiko sy hajaiko mba tsy hisin'ny lonilony, n'inona hitranga
Aza manahy fa raha ianao no safidiko androany
matoky fa tsy hisy fiovana izany na dia hisy fisedrana eto an-tany
fa ianao no anjara tandrify ahy eo amin'ny fiainana
tsy maintsy ekena, tsy hametrahana fitarainana
Aza manahy fa raha ny fiarahantsika hatrizay
tsy hanadinoako anao velively, hiriako izany ho mandrakizay
mamiko loatra raha ny eo an-tsandrinao
ankafiziko tokoa ny fitiavanao, satry foana ny tsy hifandao
--------
Rohy: