Atolotro ho anao (Randja)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny fitiavako rehetra sy ny foko izay mitempo
dia atolotro tsy misy fepetra
izay no azoko ambara eto
Ny amiko manontolo
no atolotro ho anao irery
mandritra ny fiainako tontolo
ankalalahana fa tsy an-tery
Ny fiainako rehetra
sy izay mikasika ahy
no atolotro anao tsy misy fetra
dia matoky fa aza manahy
Izay fantatro fa ahy
no azoko atolotra ho anao
ny handainga angamba toa tsy sahy
f'izay voahomana no azoko omena izao
--------
Rohy:
