EFITRY NY FOKO (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Voleko voninkazo ny efitry ny foko
Hahatamana anao, rehefa ianao mandalo
Ovaiko tsikitsiky ireo endrika toloko
Hataoko mahaliana ny hira sy ny kalo

Hiezaka aho hanagona zava-tsoa sy mamy
Hifampizaratsika sy harosoko ho anao
Dia ho tsapanao fa mitombo hatrany hatrany
Ilay fitia ampo avelako ho anao

Asiako fefy mafy tsy hidiran'olonkafa
Ilay efitra natokako, hampiantranoana anao
D'ianao d'ianao irery tsy misy mahafafa
No honina amin'ny foko navelako ho anao

Eo anivony eo kosa no harehatro
Ilay afon'ny fitia natokako ho anao
Eo ilay endrikao, eo ianao no hatrehako
Sady hilazako fa tena tiako ianao

Sedraiko anaty memy ny fo hitia anao
Sedraiko mba ho mafy hahazaka izay midona
Mba ho fitia mafonja no havelako ho anao
Dia ny fitia rehetra avy ao ampon'i Anja.

Vonjisoa-Andjanirina
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
325 0
Commentaires
hery ( 01/06/2024 07:39)
Mba hafa koa izany teny gasy izany lolll
ikalamako ( 03/06/2024 10:37)
tena i Vonjisoa Andjanirina ve no nampiditra ity tononkalo ity ?
vondreeeeoooooo
Lasyiray ( 30/11/2024 08:08)
Tena ifonana ry zareo fa aleo fa ahitsy io tononkalo io a!
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0155