FARA-SONIA (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Farana soniakoSoa fa mbola nisy sisan-dranomainty
Azoko hanoratana tsy mbola maina teto.
Soa fa nisy pejy tsy mbola nisy soratra
Ho fafana handraiketako ny farasisan'ny heriko.
Soa fa mbola nisy ampahana minitra
Nahafahako nisento tsy babon-tory mamy.
Soa fa mbola nisy tapa-damba kely
Afa-nanamaina ny johin-dranomasoko.
Dia hosoratako eto ny dindona navelany,
Ho pejy famaranana ito diariko ito.
Ny ranomaso, sento, faranako eto anio,
Ho vavolombelon'ny hany fandalovany.
Soa fa mbola misy ny alina hitsaharana
Afaka hampitony ny ferin'ito fiainako.
Soa fa misy nofy afaka hisambarana
Hidiran'olon-kafa manana fitiavana.
Soa fa mbola misy ny ora hitsaharana
Hanafy takom-pery ny foko feno ratra.
Eny, soa fa misy ihany ny ampitso mbola haraina,
Fiainana hafa mihitsy ambadiky ny anio.
Lalana mankany no hizoran'ito diako,
Fa any ho any angamba misy fitsaharana.
Avelako ho anao ity singa-pejy ity
K'ataovy sarobidy fa farana soniako.
Vonjisoa ANDJANIRINA
--------
Lien:
Catégorie :
Fisarahana
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecterA propos
Auteur : Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)Inséré par : Vonjisoa-Andjanirina
Date : 14/09/2026 21:44
