Feno (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FENOTsy miodina impiry
akory akia ny ora,
D’efa miverimberina
Manaraka ny onjan’
Ny fidoboky ny foko
Ny akon’ny fitia
Atolotrao ry tiako.
Feno fahasambarana
Ny fiainana diaviko,
Raha iny fa miantefa
Miantraika anatiko any
Lay teny tena mamy
Izay natolotrao.
Tiako anie ianao e.
Tsapako fa manga
Ny lanitra tandrifiko
Rehefa ianao anilako.
Feno tsisy banga
Ny efitry ny foko,
Satria ianao ilay silako
Malala a, misaotra teo ianao.
Tsy misy n’iza n’iza
tadiaviko eto intsony
Rehefa eo ianao :
Feno fahasambarana,
Feno fifaliana,
Tsy misy sento intsony.
Satria tsy foiko ianao.
Vonjisoa ANDJANIRINA (janoary 2025)
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecterA propos
Auteur : Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)Inséré par : Vonjisoa-Andjanirina
Date : 15/02/2025 16:59
