Ilay masoandroko nangarik (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay masoandroko nangarika; takona sy saika ts'hita
Nandalovanao ry tiana indro indray fa mibaliaka
Nitady ny malalako aho ka tojo anao ry tena tiako
Ny hiara-dalana aminao efa ela no niriako

Ny tanĂ na taloha no nofehezin'ny ROI
Ka ny foko omeko anao anjakao fa ts'isy QUOI
Fa izay zava-manahira mahazo an' TOI
Tsy maninona ambarao, ndao iarahana mamaha

Ts'isy akoatranao aloha fa ianao no premier CHOIX
Fa raha misy faharoa dia voararan'ny LOI
Ka mahatonga ahy voasazy tsy nanaraka DROIT
Donc ty no TEMOING fa ianao no anjara ho ahy

Ny fifankatiavatsika ankinina amin' Andriamanitra
Ka raha toa ka sitrapony dia iriana mba aharitra
Fa ny eo anilanao malala tsapa tena mahafinaritra
Ts'isy fetrany ny fitiavako noho izany tsy voafaritra.

JOLAY 2017 (RNMv)
--------
Rohy:
852 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145