Loharano (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Na mino ianao na tsia, d'izao no lala-piainanaVoarindra ho nizoran'ny velona eto an-tany:
Tokana iray ny loharanom-piainana
Fa miafina tsy fantatra any ambadimbadika any.
Tany iray ihany ny nofo novolaina
Ho ''misy'' misandrahaka manenika ny tany,
Fa baraingo koa, hoe avy aiza ny aina
Naiditra tao aminy fahiny ela tany?
Fanahy tokana ihany no hay ny fisiany
Talohan'ny famoronana raha ny angano re.
Nizara ho samihafa ho ''misy'' ankehitriny
Nivoatra sy nitombo ka tonga marobe.
Avy aiza izany ny aina? Avy aiza ny fanahy ?
Iza no azo ambara ho loharano omaly?
Iza no nanoritra ny ho anao sy ho ahy?
Iza sy avy aiza raha misy mahavaly ?
...
Vonjisoa Andjanirina
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecterA propos
Auteur : Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)Inséré par : Vonjisoa-Andjanirina
Date : 14/08/2026 09:12
