Mamy (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Lu par ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mamy tena mamy
Tsy misy toy izany
Fa ny foko sy ny anao
No indro tafaray.

Tsapako hatrany
Fa foana ireo tomany
Fa eo antananao
Ny fiainako tontolo.

Tsy misy intsony akory
Ireo sento mampahory
Fa efa iantohanao
Ny hoaviko rehetra.

Tiako tena tiako
Ka indro fa ifaliako
Ilay fitiavanao
Mahenika ny fiainako.

Ka ataoko tsara rindra
Ny saotra ambony indrindra
Ho anao irery
R’Ilay anton’ny fisiako.
--------
Lien:
Catégorie : Fankasitrahana
718 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Inséré par : Vonjisoa-Andjanirina
Date : 18/03/2025 05:35
Lectures
Lu par ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0125