Mandrampiavin'ny volana a (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mandrampiavin'ny volana alinaNo nanantenako ny tarany ho avy
Sy nitehirizako andavaka lalina
Ny alahelon'ny foko manembona azy.
Very ny toky nianteheran'ny foko
Dia lay andry niankinany mba tsy ho lavo
Ka toa tsy haiko fa dia mitoloko
Mitsiriritsa ny tafakatra avo
Ny tanjona iriany tsy tratrany akory
Dia tovona hanampy ilay efa voajoro
Fa nisy hery hafa izay nampahory
Nijery naneso ka dia nampikoro
Kanefa mahery ny fo tato anaty
Hanana hery sy tanjona vao
'Lay fitiavana lasa ho soloina malaky
Ho taitra tsy rendrika anaty aizina ao
Tsy hilavo lefona andohan'ny ady
Ka hiozom-pitia hoe tsy hitia intsony
Vonona handroso ka hiezaka hitady
'Lay fanantenana amin'ny hery efa vory.
Vonjisoa ANDJANIRINA
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecterA propos
Auteur : Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)Inséré par : Vonjisoa-Andjanirina
Date : 10/06/2019 15:53