maso fahateloko (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nataoko antsitra-po ny nanakipy maso,
Reko ihany ianao, ilay niantso hoe andraso fa,
Safidiko ny andeha,
Hanatratra ilay tanjona hamikirako.
K'ilay talahonao nitomany teto anilako,
Vavolombelona iny fa hisaraka eto isika,
Ianao no toa tamana fa, izaho hiova dika
ka hamono antsitra-po ity vatana tsy andrinako,
'reto maso roa tsy ahitako ny aorinako,
Ho akimpiko avokoa.
Satria tsy mahatanty ny donam-pahoriana
Fa malaky mitaraina sy sady mitomany,
Tsy mahita akory izay anton'ny fisiana
Ekena hoe mahiratra fa jamba foana ihany.
Ka aleoko miova fiainana hihoatra ny hita maso
Hitsangana hampamiratra ny mena ambonin'ny menako,
Ka saina iray matsilo mahery nohon'ny afo,
No entiko misikina mandevina ny tenako.

Raha mahaliana anao, manaraha ny lalako,
Ahafantaranao ilay tsiambarateloko,
Ny anton'ny hifaliako sy anton'ny hasambarako,
Ireo singa hifohazan'ilay maso fahateloko.


vonjisoa ANDJANIRINA
--------
Rohy:
Sokajy : Misy
24 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0123