Mivavaka aho satria (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mivavaka aho satria

Mivavaka aho satria,
Inoako marimarina fa mihaino vavaka ahy
Ilay tokana Andriamanitro.

Mivavaka aho satria,
Iny no inoako fa lakile manokatra
Ny varavaran-danitro.

Mivavaka aho satria,
Hanatitra fisaorana noho ny aina sy andro
Nomena ho nindramiko.

Mivavaka aho satria,
Miaina fahasambarana tsy misy tebiteby
Ilay olo-tena mamiko.

Vonjisoa Andjanirina
2026
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana - Ahy
10 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0189