NENY (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Any ianao ry neny, tsy eto anilako eto
Raha malahelo ianao, izaho aty misento
Noho ny elanelana dia tsy hitako ny atao
Malahelo aho aty, ka mahatsiaro anao

Ny andro iray anio, ity fetinao ity
Mampanembonembona ny any sy ny at
Raha sendra nania, teo ianao niaro
Ka trosako aminao, raha izaho no tsy hatsiaro

Noho ny fetinao dia tiako ny mijery
Ireo ampaham-pitiavana mba tsaroiko kely
Ny tambitaninao nananatra nitaiza
Ny fitiavanao, tsaroiko n'aiza n'aiza.


Vonjisoa ANDJANIRINA
☎: +261341277341
--------
Rohy:
768 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144