Ny fandalovanao (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Toa maso indray mikimpy,
Ampaha-potoana monja tsy misy ho tantaraina;
Dia indro niova ho tsiky
Ilay sento tany anaty, miharo ireo taraina,
Toa sarotra hazavaina
Nefa, ho lazaiko anao o?
Ny fandalovanao,
Tsy haiko ianao raha honina,
Fa ny fantatro dia izao :
Hitsikiako anio fa ''nisy teto ianao ''.

Tsy haiko hoe avy aiza,
Fa tara-pahazavana mahavakivaky ny alina,
Tsy fantatra fantarina,
Tsy takatra takarina,
No nanehoana tamiko fa indro tonga ianao,
Dia izao,
Hitsikiako kely ny eto anilanao,
(...)
Ny antony d'izao e,
Hery tsy hay avy aiza, no nanome anao,
Angamba ho fananako ??
Aaa, ts'izany,
Fa nomeny ianao ho namako,
Dia faly aho...

Raha ho avy indray ny ampitso,
Ka tsy tamana ianao,
Na nomena ny hafa? D'izao :
Misaotra anao nandalo.
Tia tena aho raha hiangavy
Hangataka amin'ny hoavy ny hijanonanao,
Hampitsiky hatrany sy ho ravaky ny fiainako,
Eny e, malahelo anao,
Fa ekeko ampifaliana ny fandalovanao,

Ka mirary soa,
Raha ho avy ny fotoana, hisampana ny lalana de,
Hikimpy indray ny masoko,
Hiezaka hanonofy,
Hamadika ho nofy
Ny mamikelitsika,
Ny fotoana vitsy nifankafantaratsika,
Dia tsiky iray midika fa
Mankasitraka !
Tsy hanadino akory...

Vonjisoa Andjanirina
--------
Lien:
Catégorie : Fiainana
232 1
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0119