Ny marina (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Inona ny marina?Ny valim-pikarohana a?
Nanana porofo misy tsy azo lavina.
Sa zavatra nekena sy nifanarahan'
Ny olona samihafa ?
Sa ve andriamanitra, ka andriamanitra iza ?
Tsy ananana porofo akory ny fisiany.
Sa izay eken'ny saina ho tsy ananan-tsiny?
Dia iza koa ny saina, iza koa ny tsiny?
Inona no marina?
Miafina ao anatin'ny sarotra fantarina,
Na tsy mbola misy, fa anarana foronina,
Inona ny marina ?
--------
Lien:
Catégorie :
Marina
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecterA propos
Auteur : Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)Inséré par : Vonjisoa-Andjanirina
Date : 14/08/2026 09:05
