raozy mena (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAOZY MENA
Ho anao malala no mbola hanoratako
Satria raha tsy eo ianao, tsy nisy ny hasambarako
Ho anao irery, izao tononkalo izao
Solon- draozy mena, hatolotro ho anao

Toa tsy haiko intsony ny hilaza ilay fitiavako
Feno loatra anao, ny foko re rahavako
Feno ny hasambarako, rehefa ianao anilako
Sy ny anaranao no any an-tononkirako

Ity ny tononkaloko, hanamafisako orina
Ireo diana efa natao, sy 'reo izay vao haorina
Sady ho fehizoron' ny fiainantsika ho avy
Iray tsy hadinoina amin'ny andro mariazy

Ireo zava-boary ireo, atrehatsika izao
Ireo vavolombelona fa, tiako loatra ianao
Ka amin' ny fo madio, mba raiso sombiniaina
Indro omeko anao, ny solondraozy mena

Vonjisoa ANDJANIRINA
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
148 1
Fans: Lasyiray
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144