Sombin'ny aiko (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsiokan'ny hery anaty, tsy haiko hofefena.Fitiavana ao am-poko, tsy misy fanerena.
Ny hasarobidy tsy takatry ny saiko.
No entiko hitiavana, anao ry sombin'ny aiko.
Tsy kintana eny ambony, ho vatranao banjinina.
Na volana mamiratra, tsy ireny akory no inona.
Fa ny heriko ato anaty izay zary ra mibaiko,
Hankamamy hatrany, anao ry sombin'ny aiko.
Raha 'zay fahantrako, tsy hahafefy izany lalako,
Hikaroka hafaliana, f'izao no hasambarako
Hitady ho anao hatrany, hisedra izay sedraiko
Ho tsiky sy hafaliana, ho anao ry sombin'ny aiko.
Foiko raha ho anao ny hery rehetra ananako,
Fa tokana angatahako, ny fahendrena zanako.
Eto izaho sy neny, hanoro anao ny atao.
Ka mahereza foana, fa tian'i dada ianao.
Vonjisoa ANDJANIRINA (29/11/2025)
--------
Lien:
Catégorie :
Zanaka
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecterA propos
Auteur : Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)Inséré par : Vonjisoa-Andjanirina
Date : 14/08/2026 09:16
