Tsiokan'ny saina (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Etsy anie ry saina e!

Andriamanitra iza no ianteheranao,
Hanolotra hamamiana.
Kanefa ianao tsy mino, fa feno fijaliana,
Ny lalàn'ny fisiana.
Tsia, fa mila ianao manaiky,
miaina sy mizàka,
Sy miady ka mijoro,
Mitady varavarana ahafahana mivoaka.

Ho kivy va ianao, nandao anao ny namana a?
Tsia, fa sokafy re ny fo,
Ireo izay te handao, omeo soava dia ;
Ireo mikasa hiditra,
Omeo tongava soa.
Ataovy ampahatsorana
sy rakotra fitiavana,
Dia hanampy anao finaritra
Ilay tokana Andriamanitra.
Ao anatinao.

Tsy mino va ianao,
Fa saina fotsiny ihany,
Dia afaka manolotra
ny tena hasambarana?
Fa mila fahanginana,
Mila fahendrena,
Miampy ilay fitiavana.

Tsy mino va ianao,
Fa ao anatinao,
Ilay ivon'ny fisiana,
Ilay anton'ny fisiana,
Tokana hampandresy
Sy hahatafita anao,
Tsy mino va ianao ?
Ho kivy va ianao ?

Fohazy ilay ianao,
Ahafahanao mandresy.
Fohazy ilay ianao,
Ahafahanao ho sambatra.
Fohazy ilay ianao,
Ahafahanao miaina.

Vonjisoa Andjanirina
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
178 2
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0115