Veloma 3.0 ''avelako ho anao'' (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy tanana ahofa na satroka akofaka,
No endri-beloma atolotro anao;
Fa ny ela-panahiko mikopakopaka,
Dia efa tso-drano havelako ho anao.

Raha misy fotoana indray andro any,
Rehefa mahatsiaro ny lasako ianao,
Mba mitsikia re fa aza tomany
Fa fo falifaly no avelako ho anao.

Ireo ratsy rehetra lavenon'ny lasako,
Ampiaraho amin'ny nofoko ho rava sy lò,
Aleo ireny hitambatra ho anisan'ny fasako,
Ho levona mandrakizay tsy hifoha.

Ireo mamy rehetra nifampizarana,
Ny tsara mba vitako rehetra ho anao,
Fenoy mba tsy ho hita izay fahabangana,
Sy tsiro vaovao izay n'havelako ho anao.

15 -04 -2024.
--------
Lien:
Catégorie : Fiainana
118 1
Fans: Lasyiray
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148