RANOMASO TSIHAY FIHAVIANA... (zaza vaomaly)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"RANOMASO TSIHAY FIAVIANA" Miondrika ny loha
Maloka ny tava
Mitsiky... fa tsiky nalahelo
Mirana... fa mirana hakiviana
Tsy fantatra hoe nahoana?
Fa malahelo foana
Tsy fantatro ho maninona...
Fa tsy mahinana inoninona
Malahelo fa tsy haiko...
Mihodina ny saiko...
Marary koa ny aiko...
Mitaraina koa ny fo...
Fa tsy fantako hoe ahoana...?
RANOMASO...
Tsy hitako hoe avy aiza
Alahelo ; hakiviana
Tsy hita fiadohana
--------
Lien:
Catégorie :
Fiderana - Fifaliana - Hanina - Ahiahy - ahy - Fampaherezana - fanantenana - Eritreritra mandalo - fiainana - Fitiavana
Commentaires
lirah22
(
14/11/2016 14:09)
tsara fa tohizo e!