injao fa midona ny voaloh (Zo-Maminirina)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
injao fa midona ny voalohan’oranaanaty somambin’ny volana tsinana,
ny nofin’ny foko no mangorangorana,
mahatsiaro ireo dify eny ankodimirana.
ny atifanahiko manangan-torana,
mitebiteby amin’izay tsy vita,
ny fiainana mihitsy no tsy afa-patorana,
izay fitoniana tsy mety ho hita, ...
miakatra ety an-tanàna ny manga,
ny vatako kosa mahatsiaro ho mahatsiaro,
nilaozan’ny fanadinoana aza angamba
ka mampitamberina zavatra maro.
na mamy aza mantsy ny voankazo an’ala
misy mafaitra miserana ihany.
anjaran’ny tena ka aleo mody adala,
mba midify kely raha sendra tomany.
injao fa midona ny voalohan’orana
mamakiravina ambolana tsinana,
ny nofin’ny foko no mangorangorana,
mahatsiaro ireo dify eny ankodimirana.
...
Zo-Maminirina
18 oktobra 2015
(21 ora 30’)
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy
Fans:
zonytsiahy