VELOMA (ZOZORO)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VELOMA

Veloma ry nandao, ry nandaha tsy hiara-dia,
ny kapoaka izay nomena dia ho gohiko satria
efa zava-tsitrakao, ka na mangidy io na mamy,
dia ho ateliko daholo, ho taperiko hatrany.
Irony androtsika lasa toa indray miverina ao an-tsaiko,
sarisary mahasondrina ireo toerana lalaiko
niarahana fahiny... toy ny henoko miteny
ao an'eritreritro ao ireny rehetra rehetra ireny.
Hasambara-tsy hita lany no niainana fahiny,
haravoana tonga lafatra...
niova sy matsatso ve zany ankehitriny ?
Nofy sisa ny hafaliana hitako sy hitanao,
maloka amiko ny tany, ny rehetra aminy ao.
Nefa moa ho aiza intsony ity voronkely izay very,
tafasaraka hava-mamy ka tsy maintsy hanirery,
tsy maintsy hiaritra hatrany izay mihatra aminy eto
na ho fahoriana izany na ho amboaran-tsentosento.
Tao ampoko hatramin'izay ny fitiavako anao,
ka ho ao tsy misy fetra.
Eny raha izao tontolo izao
indray hirodana avokoa ka hanototra ny foko...
Tsia dia tsia...mbola ho velona ao ilay fitia tsy miofo
N'inon'inona hifofo.
Koa
Mahita izay mahasoa izany havako izany,
mazahoa izay irina r'ilay tokako eto an-tany.
Any ampilefasana any mba tsarovy ilay mahantra
mitadidy ny androtsika eny atsefatsefa-dratra.

Eny, veloma sombinaiko, nefa mba ekeo farany ary
ny oroka an-taratasy sy oroka an-tsarisasary...
Fara-faniriko io, koa veloma ry malala
Hoy ity adaladala feno fitiavana tsy miala...

zozoro
--------
Rohy:
Sokajy : Taratasy
4493 0
Hevitra mandeha
pissoa ( 08/09/2011 15:57)
"Tsy neniko nefa, Lala o ! ny nitia anao
Nafonja sy ngeza na dia kilalao
Voaloham-pitia, toy ireo nofy tsara
Rava satria tsy mbola anjara"

Vola sy Noro

Atao veloma nefa raha mahita an'izao ve izy tsy hiverina indray hi hi.
Zozoro ( 08/09/2011 18:45)
pissoa a!

Angamba efa lasa lavitra izy pissoa a! tsy omena tsiny fa aoka hahita izay tadiaviny sy fantany fa mety e! Ary hoy ilay ilay mpanoratra iray tena ankafiziko sy deraiko tokoa tokoa, tena tiko be ity tonokalony ity izay milaza hoe :

< mety tsy mandeha amin'ny filaharany izy ity, ary mety tsy ampy koa nefa soratako ihany hi hi hi >

" Tsy asim-panenenana akory ny lasa
Tsy asina alahelo ny zavatra vita
Fa hoatry ny lamba niaraha-nanasa
Tahaka ny rano niarahana nita.

Ny taona efa lasa dia lala-nombana
Tsy arahana fondro, tsy arahana tsiny
Nna ritra aza re ny fihantahantana
Dia mbola tsarovako izany fahany

Na bonga aza sisa no anaty tanana
Na rava aza, hono ny trano rehatra
Ny tany nitoerany
Dia mbola tomraoetra.

Tsy fongotra akory ny hazo kapaina
Ny raviny foana no raraka an-tany
Ny tahony angamba no mety ho maina
Ny fakany kosa dia mbola ao ihany.




volana1 ( 15/09/2011 12:25)
Mahereza e ! raha anjaranao iny mbola hiverina, avelao ny fotoana handeha dia zory ny làalanao isanandro fa raha anjaranao iny mbola hiverina.
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142