Hampiditra sary
Nampiditra :
Azrael666
Daty : 18/04/2025 02:16
Nijery : 350
Tononkalo: 6 Jereo eto
Mankafy : 0 Ankafizo
Hampiditra tononkalo Daty : 18/04/2025 02:16
Nijery : 350
Tononkalo: 6 Jereo eto
Mankafy : 0 Ankafizo
Elysé Azrael
ANDRIANIRINA Harimalala Elysé no tena anarany. Teraka ny 26 Jiona 1993 tao Itandroka Tsarahasina Antsirabe II. Zanak'i RANDRIAMALALA Emilson, sy RAHELINIRINA Mariette. Manambady an'i HANTAMALALA Martine tamin'ny taona 2018, ary niteraka zazalahy roa dia RANDRIAMALALA Jonathan Azrael sy RANDRIAMALALA Arkein Harena Azrael.Nianatra Lalàna sy Teolojia izy rehefa afaka Baccalauréat tamin'ny taona 2011.Tamin'ny taona 2009 no nanoratany voalohany, ary classe de 2nd izy tamin'izany. Ny solon'anarana hoe AZRAEL araka ny bokim-pivavahana sasany (Apokrifa Jiosy, Silamo, Kristiana) dia anjelin'ny fahafatesana, ary io solon'anarana io ihany no sonian'ny asa sorany. Tononkalo miady rima hatrany no tena fanorany, saingy manoratra sombin-tantara, tantara an'onjam-peo, mamoron-kira sns. ihany koa izy. Ankoatr'izay dia efa nilalao tantara tao amin'ny Radio Haja Antsirabe koa i Azrael. Mpanoratra nankafiziny manokana sy nampifoha ny aingam-panahiny dia RADO sy E.D.A.
Rohy:
https://vetso.serasera.org/mpanoratra/elys%C3%A9-azrael
