Sombiniaiko (Aingankalo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Naharay antso aho iny maraina an'iny
Miandry ahy any hono ilay ho faharoan'ny aiko.
Nidoboka ny foko, tsy nahatombona ny saiko...
Satriko hiazakazaka hampandroso ilay vahiny!!!!

Kanefa... toy ny tselatra fidoboka, Ora iray monja...
Nisambaoarava tsy nitony, nasiaka sy nanonja...
Ilay ranomasim-pahasomparana!!!!
Tapitrisa tokana no takalom-pahasambarana.

Toy ny fiainako rehetra izy, niriana fa tsy anjara!!!!
Toy ny amiko rehetra, natao hanaitra fa tsy hitoetra...
Teo aho, nivaloarika, kepoka, tsy nahitana teny...
Tsy nahatraka hifanatrika, indrisy diso nanantena.

Veloma sombiniaiko, ilay tsy mbola nofihiniko.
Niriko, nandrandraiko, na dia tsy ra mifaningotra.
Tsofiko rano, hahita izay ho tia, hahazo izay ho mendrika.
Izaho, hisento mora, hanohy milamina ny diako.

Veloma sombiniaiko!

20/07/2024 22:44
--------
Rohy:
138 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Aingankalo
Nampiditra : MikaloAina
Daty : 09/09/2024 12:53
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014