HONJOHONJOKO SAMY IRERY (Amjra Praise)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsio-drivotra malefaka, feom-borona no sisa
no hany namako miresaka, manainga visavisa.
Fa efa tsy eto intsony ianao,
nidify efa nandao izao tontolo izao

angamba ianao any hoany
tena miadana sy sambatra aok'izany,
Dia tsy mahatsiaro intsony koa ny tany
Fa efa voababon'ilay paradisa mamy

Honjohonjoko samy irery sisa no mamisavisa.
Malahelo mitomany ireo tanjona tsy vita,
fa nilaozanao nandeha,
ireo fikasana be dia be

Raha mba teto izao ianao
dia namako hilalao
ankamnatatra sy tanisa
haiteny sy ny sisa

Indrisy anefa izany
nofinofy fotsiny ihany
Tiako ho tanteraka fa indrisy,
tsy ho tanteraka mihitsy

Amjra Praise
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
249 1
Mpakafy: AmjraPraise
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Amjra Praise
Nampiditra : AmjraPraise
Daty : 26/01/2024 19:37
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014