Fitia mangatsiaka (Andrimaranitra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FITIA MANGATSIAKA



Fitia mamanala hatrany

No nafafinao ny foko

Tsy mba molotra mafana izany

Fa sisan'ireo fitia maro loko



Efa tsianjery sisa moa ireo teninao hoe mitia

Kanefa tsy vitsy koa no izaranao ireny

Ataonao zava-poana ny fitiavako anao mbola mankafy

Satria ianao mody moana, mandainga koa rehefa miteny



Toa tsy tantinao ny mitoetra amin'ny fitia tokana iray

Satria ianao hoy ianao tsy miaina indroa fa indray

Tsy mahagaga izany raha amin'ny alina aho mangatsiaka

Satria tsy nofinao intsony mazàna ny fitiavantsika



Aiza aho izany no hanafana ny fitiavako

Izaho tsy hamadika anao f'efa voafehin'ny voady ny vavako

Hany heriko dia tsy hitsahatra hivavaka aho ho antsika

Mba hiverina hidorehitra ilay afon'ny fontsika mangatsiaka



Réf : Fitia mangatsiaka efa fanahiniana

No lazainao tsisy pentina mbola tsy miova

Nefa ny fonao toa fasan'olon-tiana

Ny valin'ny fitia mangatsiaka dia tsisy mpandova.
--------
Rohy:
3237 0
Hevitra mandeha
malagasynord ( 23/09/2007 09:46)
tsara loatra
Andrimaranitra ( 29/05/2023 21:54)
Mankatelina tompoko
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149