Avelao izy hatory (Andrin'ny Avo)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Zovy ihany no hitaratra,
an'aloky ny efitranony,
ngiana izao ny kotro-baratra,
voasaron'ny tomaniny,

ny varavaran-kazo,
no indro lasa figadrany,
ny nantenainy no nalazo,
ka nentin-drivotra any ho any,

nitsikitsiky ny maraina,
fa nomeny ny lamosiny,
ny voron-kely nitaraina,
notapenany ny sofiny,

voadona ny ambom-pony,
ka nihidy ny karetsaka,
ny antsonao tsy ho reny intsony,
f'eto anilako mipetraka,

ny sentom-pahakiviana ny ahy,
no nielatra tam-po,
remoka am-pandriana indray ingahy!
rahoviana vao hifoha?

tsy ho ela fa andraso,
hisava aloha ny aizim-pito,
ny masoandro handrehi-maso,
ho taitra ihany izy rahampitso.
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - fiainana
2514 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Andrin'ny Avo
Nampiditra : nnjiva
Daty : 18/03/2011 08:08
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0112