ILAY ANDRO (ANDRY KANTO MENDRIKA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ILAY ANDRO NITOERAKO
TOA RAKOTRA NY TANY
ILAY ANDRO TSY NOFERAKO
NAMPIROTSAKA TOMANY



ILAY ANDRO NATENAIKO
HIARAHAKO AMINAO
SAINGY NIALÀ NY AIKO
NA DIA MBOLA TIA ANAO


ENY AN’ABAKABAKA ENY!
IANAO TSY AFAKA NY HO ENY
MITAZATAZANA ETŸ
MAHATSIARO ILAY FITIA

ANGAMBA TSY HO SANATRIA
FA EFA RAVA ILAY FITIA
ILAY ANDRO NITOERANA
TSY AFAKA NOFERANA







NA DIA TSY SITRAKO ARŸ
FA MISOPATRA NY TANY
TSY MAINTSY ANDAO NY VOARY
RAHA IZAY NO LAHATRY NY TANY



ILAY KANTO MAHAFINARITRA
ILAY FARA-VODILANITRA
HIOVA HO TONTOLON’NY FANAHY
HATORY AMBONY RANGOLAHY


NITAMBERINA INDRAY
ILAY DITRA FAHIZAY
EFA NIALAKO ITONY TANY ITONY
TSY AFAKA HIVERINA INTSONY

EFA TONTOLO VAOVAO
NY TONTOLOKO IZAO
FA ILAY ANDRO NITOERANA
TSY AFAKA NOFERANA
--------
Rohy:
184 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ANDRY KANTO MENDRIKA
Nampiditra : AKMKT
Daty : 06/01/2024 11:58
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144