ARAHABAINA NAHATRATRA NY TAOM-BAOVAO (Rasamindrakotroka Andry Tiana)

Nantsain'i s19andry5851
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Arahaba madinidinika, nahatratra taom-baovao.
Nahatsipaka amin-kery iny taona ratsy iny;
Taona lasa tena mafy, toy ny zioga sy ny bao;
Nampitaintaina, nampanembona ny tsara fahiny.

Arahaba tsy ankanavaka, tsy maty fo aman'aina;
Niangaran'ny vintana ka mbola velon'aina ankehitriny,
Na ny nandova tany lonaka, na tany karankaina.
Izay ananana ifaliana, tsy tokony hifanomezan-tsiny.

Arahaba am-panajana ireo ray aman-dreny sy zoky;
Hazo amoron-tevana, hono, kanefa nampijoro hatrany.
Tsy hadino koa ireo zandry, ireo tarana-mahatoky,
Vato mandondona e, tsy nianjera tamin-tany.

Hikapa hahita ny tonony, handidy hahita ny vaniny.
Hambinin-java-manasatra am’izay rehetra hatao.
Hahomby amin'ny adidy sy andraikitra sahaniny.
Hotsongoin'olom-bolo eo anivon'izao tontolo izao.

Ho mamy tian'ny vola, ho mangidy lavitra ny faty.
Ny lalan-kombana koa, ho lavitra ny loza sy atambo.
K’izay rehetra kasaina, hitondra fifaliana ao anaty;
An-tsaha, eny an-tanàna, na hatrany anaty sambo.

Tsy ho solafaka an-dalana, tsy ho fotsy rora miteny.
Hisitraka tsiron'ny tany, hirotsahan'ny andon'ny lanitra.
Na matory na mifoha, na mandeha eny ho eny.
Ho eo ambany fitahian'ilayTompo Andriamanitra.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
02 Janoary 2018
--------
Rohy:
2013 6
Hevitra mandeha
s19andry5851 ( 25/03/2023 08:44)
s19andry5851 ( 25/03/2023 07:08)
AZA HADINO NY MANINDRY ILAY FO EO AMBONY IO MANAMARIKA NY FANDALOVANAO.
MANKASITRAKA TOMPOKO, SAMY HO TAHIAN'NY TOMPO HATRANY ISIKA !
Professeur Andry RASAMINDRAKOTROKA
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0109