IREO REHETRA NOBEAZINA (Rasamindrakotroka Andry Tiana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mahatsiaro an'ireo rehetra,
zandry zanaka nobeazina,
am-pitiavana tsy misy fetra,
ny nahatafitany no noezahina.

Maro ny tsy taova tsy volivolo,
nosokajina toy ny zanaka ;
nisongadina, naha velom-bolo,
olom-banona toa taranaka.

Ao ireo kibo iray no nifonosana,
nifanabe tamin-potoana sarotra ;
dobo iray no nilomanosana,
fiarahana niezaka no nasalotra.

Tsy adino ny zafy zanaka nateraka,
adidy an-tànana nomen-Janahary ;
nobeazina hianatra, tsy hifezaka,
miara-dàlana amin’ilay nahary.

Irin’olona, fa tsy haniry olona anie,
amin’ny asa sy ny tokantrano.
Hanatsara ny vita, hanohy hanabe,
marina, mahitsy toa fandrin-drano.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
10 Septambra 2024
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana - Fitiavana
226 4
Hevitra mandeha
s19andry5851 ( 10/09/2024 07:54)
Raha tiana handroso ny Firenena, tokony samy miezaka manabe araka ny toerana misy azy avy ny tsirairay.

N'inona n'inona lazaina, hafa ihany ny olona nianatra.
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151