TSIARO AN'I NENY (Rasamindrakotroka Andry Tiana)

Nantsain'i s19andry5851
Nantsain'i s19andry5851
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
I Neny, ilay hany nitondra,
sivy volana tao an-kibo;
ilay niankin-drindrina irery,
no tsaroana ankehitriny,
mitamberina ao an-tsaina.
Sarobidy noho ny diamondra,
anaty "raoby" toa nifehikibo,
moa va re tsy toy ny anjely;
maotina tsy nanan-tsiny,
ary tena narani-tsaina.

I Neny, izy ilay nikolokolo,
nijery izay rehetra nahasoa;
nitotototo, nihazakazaka,
nianatsimo, nianavaratra,
na an-tsaha na an-tànana.
Voakarakarany daholo,
na ireo Koto, na ireo Soa;
tsy mba nisy voavakavaka,
mba ho tratra ilay filamatra,
tokantrano soa, toa Kanana.

I Neny, ilay hany tsy hadino,
fa mba ho tsaroana foana,
any an-toera-misy azy any.
Lasa lavitra any ampitan'ony;
any amin'ny tsy taza-maso.
Ny olon-tia anefa mino,
fa mbola ho avy ny fotoana,
hiverenana amin'ny tany,
ary hihaonana any ambony,
ho tapitra eo ny ranomaso.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
01 Jona 2020
--------
Rohy:
1518 7
Hevitra mandeha
s19andry5851 ( 25/03/2023 04:27)
AZA HADINO NY MANINDRY ILAY FO EO AMBONY IO MANAMARIKA NY FANDALOVANAO.
MANKASITRAKA TOMPOKO, SAMY HO TAHIAN'NY TOMPO HATRANY ISIKA !
Professeur Andry RASAMINDRAKOTROKA
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.018