Fatim-piaran'ialahy (Andy Rebabe)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hatreny Ambohidratrimo
ialahy nirimorimo,
efa tsy olombelona
fa donton'ny domelina.
Teo Ambodimita
niarahana nahita,
ialahy tsy nety resy
nisongona nisesy.
Dia nilingilingy
rehefa nahazo digy,
nirifatra tsy tana
nandika ny lalàna,
Niseho ho mafy loha,
ary tsy afapo
raha tsy niharan-doza,
Loza ! Loza ! Loza !

Maro no naratra
Be ny fatiolona,
F'ialahy nivatravatra,
ny mpandeha no sorona,

Fa fatifatim-piara
ratsy karakara,
Fiara rakonantitra,
mbola atao mpitatitra,
Saofera jiolahy
sy mampiahiahy
nahoana no ampiasaina
atao famoizan'aina ?

Maro ireo naratra
Betsaka no maty,
F'ialahy nivatravatra,
main'ny afo anaty
Niboboka ilay toaka
dia ny ain'ny vahoaka
no amidy ambongadiny,
misedra fara adiny !

Ho avy amin'ialahy
mpandeha sahisahy,
sy fitsaram-bahoaka
romotra safoaka,
K'ialahy faingam-pandeha :
" hitsoaka aiza re ? "

Andy Rebabe sy ny akamany
--------
Rohy:
618 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Andy Rebabe
Nampiditra : hery
Daty : 03/05/2020 08:50
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0134