Mitady ilay sakaiza (ANL MIKALO)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vao nifoha ny marainaTsy hita hoe makaiza
Fa velombelon'aina
Ndeha hitady ilay sakaiza
.
Mirenireny foana
Hitady ilay tiana
Sahy manary fotoana
Te higogo ny hafaliana
.
Tsy sasatra ny manontany
Hoe aiza foana ianao
No mbola tsy hitako ihany
Ny soritr'endrikao
.
Tsy sasatra ny mihaino
Ny ao an_tsofiko ao
Te ihaino ilay haingo
Ny fibitsikin'ny feonao
.
Tsy sasatra ny mitempo
Ny ao am_poko ao
Toa lasa foana ny sento
Te ahita ilay fitia ao
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : ANL MIKALONampiditra : Noelson ANDRIANIAINA
Daty : 19/06/2016 08:31