FITIA TSY TERENA (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ianao ilay milaza ho "tia"
saingy menatra hampiseho
eo imason'ny tontolo...
ataoko ahoana no ankafy
ka hisitraka avy hatrany
ndrao fitia tsy tsara kolo?

Fa matoa tsy mbola sahy
mety mbola misy angamba
Olon-kafa antenaina
dia haratranao tsy nahy
zato foko tena babo
ka hipitra sy hangaina

Mantsy raha fitia am-po
tsy voatana fa mitroatra
sady tsisy mahasakana
K'aza maka aretin-doha
Fa ianao tsy noterena
Tsy voatery hitolo-batana

Ndeha aloha misaintsaina
ka rehefa tapa-kevitra
dia miverina eto indray
Nefa koa tsy omenao tsiny
Raha hikombona ny foko
mety tsy afaky ny handray

AORN
23 JOLAY 2018
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
426 1
Mpakafy: rina15
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 11/06/2025 12:16
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0145