ITY TARATASY ITY (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ity taratasy ity, hampitondraiko anao
Ho entinao ho azy
Kajio mba tsy haloto na latsaka eny an-dalana
Fa any anatiny any, no ahitany taratra
Ilay foko mitomany...
Fa any anatiny any, lay lasako voasilaky
Ny ratra sesilany....

Avela ho hitany ao
Irony fahatsiarovana
Reo Andro nahafinaritra
Niainanay naharitra...

Avela ho hitany ao
Reo antsoantso maro
Talaho sy fiangaviana
Nataoko tamin’azy
Rehefa izy tezitra
Ka lasana nandao
Fa hoe hifindra lasy...

Avela ho tadidiny
Ny ranomaso latsaka
Sy senton-tsasakalin’
Ity foko farahidiny…

Ka iangaviako ianao
Hanolotra mivantana
Ty taratasy ity
fa... aza ampitondraina
Na hakasi-tanan’olona
Ndrao misy sotasota
Ka very an-javona any
ty masoko efa kotsa

Ty taratasy ity,
Dia aza alefa paositra
Ndrao sendra mifangaro
Ka lasa an-tanan’olona
Tsy iantefan’ny hafatra...
F’ianao dia ianao ihany
No ametrahako azy
Dia ataovy tsara tonga
An-tanan’ilay tiako
Namoy ny faniriako...

Dia aza asiana resaka
Na koa asiana tsetra
F’afoiko tsisy tambiny
Ny momba ahy rehetra
Ka aleo mba ho veloma
Tsy misy "mandram-pihaona"
Dia handry fahalemana
Ty foko anaty saona

AORN
12 FEBROARY 2020
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
339 1
Mpakafy: rina15
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 12/08/2025 10:16
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0213