JIRAMATY (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha tapaka ny jiro?
tsy ahoany akory izany
fa aleony ho maizina any...
F’izay mba hani-masaka
Am-bata mangatsiaka
Masiso tsisy fika!
Ilay sakafo amidy
Mba mihodina ho vola
Dia simba kolakola
fa tsy hamakiany loha...
Zay potika dia potika
Zay rotika dia rotika...

Raha tapaka ny rano?
Tsy raharahiany koa
F’ianao no tena voa...
Dia lamba tsy misasa
No entinao mandeha
Mankeny an'arabe...
Fa n'inona andrahoana
Tsy masaka mihitsy
Ka aleo mitsitsitsitsy...
Tsy maintsy mba mividy
Sakafo ambifotsy
Na dia tsy mahavoky

F’ity no tena loza...
Rehefa miara-tapaka
Ny jiro sy ny rano
Dia valaka avy hatrany
Ny ankamaroan’ny olona
Ka dia mahita angano
Ny fanjakana moa...
Tsy miditra am'zany
Raha misy manontany
Fa izy manam-bola
Dia manana safidy
Ny akora lafo vidy

F'ianao no mba ahoana?
Hiaritra eny foana?
Loza ity ka loza...
Fa zay mba zo sitrahana
No indro ilaharana
zakaina na tsy tanty
fa zay lay JIRAMATY

AORN
13 OKTOBRA 2023
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
181 1
Mpakafy: rina15
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151