NOFINOFY (AORN)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Satriko ihany tsy ho ambara
Lay fitiavako mitsiry
Sy mitempo anao ry tiako
Fa ny sarisary an-tsaiko
Mifamihina aminao
D’efa zary fifaliako

Satriko ihany tsy hamboraka
lay teny roa zay manan-danja
zay tsy sahiko tenenina
Koboniko ato foana aloha
Mba hitombo lanja hatrany
ka ezahiko hafenina

Satriko ihany ho nofinofy
Izaho sy ianao hiara-droa
Ho eny ambony alitara...
Saingy mamy noho ny mamy
Raha raiketiko ato am-poko
Ka foroniko ho tantara

AORN
06 SEPTAMBRA 2024
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
188 1
Mpakafy: rina15
Hevitra mandeha
rina15 ( 20/09/2024 09:12)
mankasitraka foana foana an'Ikalamako e!!!
ikalamako ( 20/09/2024 22:59)
mahafinaritra koa ange miantsa ny inspirakareo e
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 06/09/2024 06:43
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154