SUR AHO F'HIVOAKA AMY MAKARAKARA (AORN)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sur aho f'hivoaka amy makarakaraMatoa ny eo akaiky efa vaky barara
hoe efa tsy mendrika an'i gasikara
lay hitsakitsahin'ireo mpikafara
aiza ka olona an-jatony maro
no matin'aretina tsy mba voaaro
ny tazo mandripaka atao mifangaro
amin-javatra hafa dia hoe ampiakaro
Ny vola voaray tamy tany namidy
dia efa voazaran'ireo mangididy
dia nefa havoaka lalana sy didy
vahoaka alin-kisa tsy manan-tsafidy
ny entana miditra atao amboletra
hatao hanakonana kozy voretra
ny manao ny marina no indro voafetra
fa efa bahanan'ireo ratsy toetra
ny vary nafarana moa vary mora
Dia aleony mampiditra fako sy akora
tsy avela mamokatra ireto tanora
fa ndrao dia tafita ka avy eo manakora
rehefa dinihina sy araha-maso
ny lohany mihitsy no tonga matsatso
fa mody lazainy fa be ireo ankaso
nataon'ny mpanohitr'izay tato ho ato
fa firy amy taonina no efa naondrana
hazo sy vato tsy misy tsy fongana
izy hono hoe tsy matahotra hiongana
Raha Gasikara avelao any hirodana
fa ny vahoaka no tena mijaly
zareo safonenika sy falifaly
kanefa ny ratsy tsy maintsy hivaly
fa sendra ny afo mandoro molaly
dia Sur aho f'hivoaka ny mangarahara
ka olom-baovao no hanohy ny tantara
ny olon-drehetra mba hanana anjara
dia ho tany mendrika ity gasikara
AORN
03 AOGOSITRA 2025
--------
Lien:
Catégorie :
Tanindrazana
