Atao Ahoana (Atonamia)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mba hanontany anao aho ry olon' iny izay miserana
Mba hampio hilazao fa tsy manan-k'hianteherana
Atao ahoana ny hanadino mba tsy hitohy izato ratra
Ny alaleho sy ny hanina, 'zay mila hahavaky tratra

Eny iky mba lazao, inona no fanafody
Misy ve, ambarao, sanatria tsy miantso tody
Fa mafaitra 'zany tia ka hialana sy tsy hita
Mampiantso ny tsy fiantso, mampite hikiakiaka

Raha mba manana lazaina ka mahafantatra ny sitrany
Hilazao re, hilazao, fa tsy voazaitrako ny vitrany
Mila tsy ho zaka intsony, tapitra izato heriko
Reraka tanteraka aho tsy mety sitrana ny feriko

Inona ny fanafody inona no azo atao
Hijanona eo dia mody hitsiky? inona, mba ambarao
Raha manana hevitra ianao, eo re mba omeo valy
Sa 'lay lala-tokana no sisa, hampijanona ny jaly
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana
1210 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Atonamia
Nampiditra : atonamia
Daty : 14/07/2010 10:13
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096