Ray O (Boyanjah.RZ)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ray ô!! avelao fa diso ity maditranaovariana sy mania,tsy mahalala izay atao
Tsy mahalala akory izay hiafarany
Fa maka mamy loatra ity fiainan-tany
Ray ô! Tsy mendrika akory ny hiantso anao
Kanefa re ry Tompo ô! miangavy mitalaho
Aza tsaroana akory ireo ratsy izay niniana
Ka aza ariana re e!! raha tojo fahoriana
Ray ô! maniry fatratra aho ny mba ho diovinao
Hiova sy handao ,ireo ratsy izay fanao
Fa kosa mba iandrandra ilay fiainana any ankoatra
Tsy iandry any aoriana ,fa ndrao ho tara loatra
--------
Rohy:
Sokajy :
Vavaka - Aingam-panahy