AINA TSY MIFAMETRA (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Teny hafahafa ,toa manjombona sy ory
Io maraina io, no indro fa voaraiko
Tsy nisy arahaba na... teny mamy akory
tsy toy ny mahazatra ka... lasana ny saiko !

Tsy nisalasala aho fa nanoratra avy hatrany
nahalala tsara fa...tsy niady izahay omaly,
ka indro nanontany hoe: "salama enao any? "
Tsy niandry ela akory dia io izy fa namaly !!

"Ianao no olotiany ?" hoy izy nanontany...
" tsy izy ity fa zokiny !" hoy koa ny firesany...
Tsy namantsika intsony izy fa efa nandao ny tany ,ka..
maraina tamin'ny telo ,no ora nahafatesany ! "

"ny anaranao natsoiny ,raha izy "nidelira"
Ny sarinao fihininy, tsy foiny sady tiany !

ny nampitony azy dia naheno an'ilay hira...
nitahiry fahatsiarovana fitendrinao fahiny..."

" Taorian'izay dia....afaka ny ainy! Indrisy..! "

Tankina sy gina aho, sady toy ny very saina !
Feno koa ny foko ,ka mandrotsaka tomany !
tsy esoriko ato am-poko ianao na saraka aza ny aina,
dia..mandria ampiadanana ry tokako eto an-tany !

LAVENONA
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
276 1
Mpakafy: danielroimemy086
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 04/10/2023 15:48
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144