HO AN'NY ZANDRY (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy antsika velively...
ny hibaiko sy handahatra...
ny fiainana eto an-tany!
Mahareta kely
Fa efa izay aloha ny lahatra
Ka dia zakaina hatrany!
Dia......
Aza ialahy tomany!
Raha manjombona ny andro
Fa...izao no ataovy antsaina:
"ny fiainana eto ady"!
Ialahy no masoandro
vao miposaka maraina
dia hilentika sahady?
Zandry a !
Mahitsy be ny teniko !
Ka nefa mahasoa
Ka....hotohizako ihany
Mihitsy aloha tsy hafeniko
raha ratra iray sy roa ?
Tsy ampahafiriny izany
...........
Ekeko hoe marary !
fa ialahy vao tonga vorona
Izaho efa hary elatra!
raha toa kisarisary dia...
efa ela no niforona
an-damosiko ao ny holatra

Fotsiny io hafeniko
Mba ho tsiambarateloko
tsy hisy hahatsikaritra !
Ny hany mba teneniko?
Be ny alaheloko
Fa niezaka aho niharitra

Dia izao koa lesy zandry a !
Amin'ny olana mianjady
No hahitana anao hoe miavaka
Aoka tsy hery na koa sandry
No entinao handeha hiady !
Fa finoana miampy vavaka
......
Io ny antsika no fiadiana
sy fitaovam-panoherana..
ny hery manangoly
mihitsy , aza arina...!
Fa io no hianteherana
handresena ny devoly !

Dia izany ka izany ..!
Izany lesy zandry a !
Mahereza hatrany
Dia mbola averiko ihany hoe :
Aza ialahy tomany !

LAVENONA
--------
Rohy:
Sokajy : Fananarana
268 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 04/10/2023 16:11
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142