Ny ampitso (David Andrianalaina)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny ampitsoTsy anio ihany fa mbola hisy
Ny ampitson'ity fahakiviana
Eny, ity fiainana tsy mitsitsy
Mitraka raha misy fahalavoana
Ranomaso no handroana
Vain'afo no nitsahana
Rano mahery nidobohana
Niandrandra fanafahana
Sio-drivotra nanosika
Fahakiviana no namely
Tsy nitsahatra nitraka
Miezaka ny hahery
Na maraina ny alina
Toa mitovy ihany ny aty
Isa-minitra sento lalina
Fa fanantenana tsy ho faty
Manantena ianao ry ampitso
Manantena anao ry Nahary
Hampiova alahelo ho vetso
Amin'ity feriko marary
Hitanondrika nefa tsy hampisava
Ireo haizin-kitroka ilalako
Manantena ny ampitso hanazava
Ireto alin'ny maraina miha halako
David Andrianalaina
11 octobre 2021
--------
Rohy:
Mpakafy:
Tsiresy98
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : David AndrianalainaNampiditra : David John Lee Andrianalaina
Daty : 11/10/2021 03:56