Dada (Djaw)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ndao, ataoko hoe vahatry ny hazo,
Izay mitazona ity farany tsy ho lavo,
Izay mamikitra mba hanamafy orina,
Izany ka tena andry mampitsangana.

Ndao, ataoko hoe vahatry ny hazo,
Izay mikolo ny ravin’ity farany tsy halazo,
Satria Izy no natao ho mpamatsy,
Izay miaro ity vatany tsy ho lany vatsy.

Ahoana tokoa raha tsy misy Ianao ry hazo?
Efa fantatsika angamba ny zavatra hahazo?
Zaho tsy hiteny hoe ny hazo tsy maintsy mila vahatra!
Nefa vitsy ihany kosa ny hazo miaina tsy misy vahatra.

Izy, izay nataoko hoe vahatry ny hazo,
Tsy mipetraka any ambanin’ny tany,
Fa apetrako eny amin’ny toerana avo,
Dia tsy iza tsy akory izany fa i Dada ihany.
--------
Rohy:
2011 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098