Eny (Djaw)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eny, ry fahafatesako,Tiako, tsy tiako nefa tsy maintsy hiatrehako.
Nefa ahoana moa ilazako fa niaina ahy ?
Raha ianao no tsy nak'ahy.
Eny, ry fahafatesany,
Izay nanala azy teto an-tany,
Tsy nampilaza, tsy nampiely,
Fa tonga dia namely.
Eny, ry fahafatesany, ry fahafatesako,
Anjarany, anjarako ; ny hoaviny, ny hoaviko.
Nahoana ianareo no tsy namela hafatra ?
Nefa zavatra efa votsinjara, voalahatra.
Eny, ry fahafatesana,
Mafy ianao ary tsy azo lembenana ;
Hany mba azoko atao,
Dia ny mangina, tsy mieritreritra anao.
--------
Rohy:
Mpakafy:
endrika01