NANKAIZA? (Dox)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nankaiza ny olo-tety... no rindrina sisa mijoro?
Ny tafo mikipaka iray, ny rihana sy andry mikoro.
Raiketa sy ambiaty ary seva no sisa miandry tanàna.
Mangina ka mahalao monina... haolo tsy mahatamana.

Nankaiza ny olon-tety?... Ako no sisa manoina.
Fody no sisa mamaly... Aloka sisa antsoina!
Sorohitra mbamin-domohina no zary tompon-tanàna.
Nankaiza ny olon-tety?... lasa tsy nisy tamàna...

Ry sendra mamangy mitsera... Tsy aiza tsy aiza tsy akory:
Dongona izatsy jerena, ao ry zareo no matory...
Rakofan'ny vero sy antsoro...

Avoko homban-tsongosongo no 'reo hany mamelana.
Vorona sendra mipetraka no indro mivetso fitserana!
Tsy fantatra tsisy mpanoro...

Dox, NY HIRAKO.
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
6369 5
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Dox
Nampiditra : nirinamercia
Daty : 18/04/2020 01:36
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149