TENENO NY MARINA (Echlie Aichlia Honnie)

Nantsain'i AsaphMahane
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TENENO NY MARINA

Teneno, teneno ho'ah ny marina
Nahoana no de afenimpenina
Aholakolana tsy tenenina
Nahoana no de kobokobonina
Hodina fanina hodiana marenina!

Nahoana raha lazaina
Nahoana raha mba tantaraina
Maninona misalasala
Rehefa sokirina de mody mangovitra ny molotra
Rehefa mba terena de ty maso roa no manganohano
Teneno, teneno ho'ah ny marina.

Teneno fa raha teneninao anie de hitsahatra ny fifamaliana
Lasa tony sy lasa mangina
Raha holazainao anie de hitsahatra ireo ady
De samy mande samy mitady
Fa nahoana
Nahoana no de kobonina
Nahoana no de tazomina
Nahoana no feno tahotra
Raha mivoaka ny marina tsy misy ny ady varotra
Ny marina anie no andrasana de milamina ny sain'e
De ho tony ny fo de samy mitady izay ilainy

Ny marina no andrasana
De samy mande amin'ny lalany
Fa inona ny marina
Teneno, teneno oa ny marina
Nahoana no kobonina
Avoay e.Inona no atahorana anefa
Inona no andrasana
Inona mampihanahana
Inona no mbola mampihazohazo
Mahatonga ny endrika toa lasa malazo
Fa zao ihany ee
Teneno, teneno oa ny marina

Echlie Aichlia Honnie
Princesse Star Of Jesus (EAHPSOJ)
--------
Rohy:
93 0
Hevitra mandeha
hery ( 05/01/2025 16:29)
Ok, efa mandeha ilay antsa fa nahitsiko. Ilay hoe 16y0LNa281M2UGjaGGMuQfSuZ3h9kZ1R3 fotsiny no apetraka.
Misaotra
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0148